Matio
Toko 4
- 1Ary Jesosy dia nentin’ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain’ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika]
- 2Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
- 3Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
- 4Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra (Deo. 8. 3).
- 5Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,
- 6dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
- 7Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
- 8Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
- 9dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
- 10Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).
- 11Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
- 12Ary nony ren’i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
- 13Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ny zara-tanin’ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
- 14mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe:
- 15Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, Ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia, tanin’ny jentilisa,
- 16Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).
- 17Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
- 18Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy.
- 19Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
- 20Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.
- 21Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
- 22Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.
- 23Ary Jesosy nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona.
- 24Ary niely eran’i Syria ny lazany, ka dia nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay mararin’ny androbe ary ny mararin’ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[*Demoniaka = olona nidiran’ny demonia; izahao Mat.7.22]
- 25Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’i Jordana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.