Matio
Toko 26
- 1Ary rehefa vitan’i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe Izy:
- 2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazo fijaliana.
- 3Ary tamin’izany dia nivory ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
- 4Ary niara-nihevitra izy hisambotra an’i Jesosy amin’ny fitaka ka hamono Azy;
- 5kanefa hoy izy: Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin’ny olona.
- 6Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon’i Simona boka,
- 7dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
- 8Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton’izao fandaniam-poana izao?
- 9Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
- 10Ary fantatr’i Jesosy izay nataon’ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
- 11Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
- 12Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin’ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
- 13Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
- 14Ary ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ny lohan’ny mpisorona
- 15ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
- 16Ary hatramin’izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
- 17Ary tamin’ny voalohan’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
- 18Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
- 19Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
- 20Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy*.[*Na: (mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy)]
- 21Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
- 22Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
- 23Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ny lovia, izy no hamadika Ahy.
- 24Ny Zanak’olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’izay olona hahazoana ny Zanak’olona hatolotra! tsara ho an’izany olona izany raha tsy ary akory.
- 25Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
- 26Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
- 27Ary nandray kapoaka* Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;[* Na: (ny kapoaka)]
- 28fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena*, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.[*Na: (ny fanekena vaovao)]
- 29Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.
- 30Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
- 31Ary tamin’izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
- 32Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
- 33Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
- 34Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
- 35Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ny mpianatra rehetra.
- 36Ary Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
- 37Ary nitondra an’i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
- 38Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
- 39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
- 40Ary nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
- 41Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
- 42Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
- 43Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
- 44Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
- 45Dia nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo*; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’olona hatolotra eo an-tànan’ny mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?]
- 46Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
- 47Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan’ny roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona.
- 48Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
- 49Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
- 50Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto*. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’i Jesosy ary nitana Azy.[*Na: haninona eto ianao?]
- 51Ary, indro, ny anankiray tamin’izay nomba an’i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
- 52Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.
- 53Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
- 54Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
- 55Ary tamin’izany ora izany dia niteny tamin’ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
- 56Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
- 57Ary izay efa nisambotra an’i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
- 58Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin’ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
- 59Ary ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’i Jesosy mba hamonoany Azy;
- 60fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
- 61Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin’Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ny hateloana.
- 62Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ireto Anao?
- 63Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.
- 64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tanana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.
- 65Ary tamin’izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy* Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy* izao.[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
- 66Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
- 67Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
- 68ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
- 69Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’i Jesosy, ilay Galiliana.
- 70Fa izy nandà teo anatrehan’izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
- 71Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin’izay teo hoe: Ity koa nomba an’i Jesosy avy any Nazareta.
- 72Ary nandà indray tamin’ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
- 73Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
- 74Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.
- 75Ary Petera nahatsiaro ny tenin’i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.