Matio
Toko 20
- 1Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
- 2Ary rehefa nifanekeny tamin’ny mpiasa fa ho denaria isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanim-boalobony ireny.
- 3Ary nivoaka tamin’ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
- 4ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin’ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
- 5Ary nivoaka tamin’ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
- 6Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
- 7Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka.
- 8Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin’ireo taoriana ka vao hatramin’ireo voalohany.
- 9Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
- 10Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
- 11Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka nanao hoe:
- 12Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
- 13Fa izy namaly ka nanao tamin’ny anankiray amin’ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
- 14Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
- 15Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
- 16Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
- 17Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
- 18Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
- 19ka hatolony amin’ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ny hazo fijaliana; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
- 20Ary tamin’izany dia nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
- 21Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.
- 22Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
- 23Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ny Raiko izany no homena.
- 24Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’izy mirahalahy.
- 25Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
- 26Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
- 27ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
- 28Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- 29Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesosy.
- 30Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô!
- 31Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’i Davida ô!
- 32Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
- 33Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
- 34Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’izay izy, dia nanaraka an’i Jesosy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.