Matio
Toko 24
- 1Ary nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
- 2Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. [*Na:Tsy hitanareo izany rehetra izany]
- 3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.
- 4Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
- 5Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
- 6Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
- 7Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.
- 8Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28]
- 9Ary dia hatolony ho amin’ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
- 10Ary amin’izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
- 11Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
- 12Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.
- 13Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
- 14Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
- 15Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),
- 16dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
- 17ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
- 18ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
- 19Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’ireo andro ireo!
- 20Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny Sabata no handosiranareo.
- 21Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
- 22Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
- 23Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo.
- 24Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
- 25Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
- 26Ary amin’izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ny efi-trano Izy, aza mino.
- 27Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.
- 28Fa izay itoeran’ny faty, dia any no hiangonan’ny voromahery.
- 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina.
- 30Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy.
- 31Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany* efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra]
- 32Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.[*aviavimbazaha]
- 33Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany]
- 34Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
- 35Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
- 36Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.
- 37Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona.
- 38Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara,
- 39ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.
- 40Ary amin’izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
- 41Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
- 42Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.
- 43Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
- 44Koa miomana kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.
- 45Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana?
- 46Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
- 47Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
- 48Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
- 49ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ny mpimamo,
- 50dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany,
- 51dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[*Na: hokapohiny mafy]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.