Matio
Toko 8
- 1Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.
- 2Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
- 3Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy.
- 4Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
- 5Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
- 6nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ny paralysisa ka mijaly loatra.
- 7Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.
- 8Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
- 9Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.
- 10Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Isiraely aza.
- 11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra;
- 12fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
- 13Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankizilahy.
- 14Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’i Petera nandry teo nanavin’ny tazo.
- 15Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
- 16Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
- 17mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).
- 18Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.
- 19Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.
- 20Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo* manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.[*volpa]
- 21Ary nisy hafa koa tamin’ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
- 22Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.
- 23Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.
- 24Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.
- 25Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!
- 26Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.
- 27Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!
- 28Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ny tanin’ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin’ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’izany lalana izany.
- 29Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan’ny fotoana?
- 30Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
- 31Ary ny demonia nifona tamin’i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin’ireo kisoa andiany ireo.
- 32Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ny rano.
- 33Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin’ireo demoniaka.
- 34Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an’i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin’ny fari-taniny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.