Matio
Toko 16
- 1Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
- 2Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
- 3Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
- 4Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
- 5Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
- 6Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
- 7Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
- 8Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
- 9Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
- 10na ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
- 11Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
- 12Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.
- 13Ary rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona*?[*Na: (Aho)]
- 14Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ny mpaminany.
- 15Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
- 16Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.
- 17Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
- 18Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy]
- 19Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
- 20Ary tamin’izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’olona akory fa Izy no Kristy.
- 21Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.
- 22Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
- 23Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.
- 24Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
- 25Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
- 26Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?
- 27Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
- 28Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.