Matio
Toko 11
- 1Ary rehefa vitan’i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ny olona.
- 2Ary rehefa ren’i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
- 3hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
- 4Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
- 5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
- 6Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
- 7Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an’i Jaona tamin’ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ny rivotra va?
- 8Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa* va? Indro, ny mitafy soa* dia ao an-tranon’ny mpanjaka.[*Gr. malemy]
- 9Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
- 10Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
- 11Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.
- 12Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
- 13Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’i Jaona.
- 14Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
- 15Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
- 16Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
- 17Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
- 18Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
- 19Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)]
- 20Ary tamin’izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
- 21Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
- 22Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
- 23Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
- 24Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
- 25Tamin’izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.
- 26Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
- 27Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
- 28Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
- 29Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
- 30Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.