Matio
Toko 14
- 1Tamin’izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan’i Jesosy,
- 2ka hoy izy tamin’ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
- 3Fa Heroda efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny.
- 4Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
- 5Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ireo ho mpaminany Jaona.
- 6Fa nony tonga ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’i Herodiasy ka nahafaly an’i Heroda.
- 7Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
- 8Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa.
- 9Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
- 10Ary dia naniraka hanapaka ny lohan’i Jaona tao an-tranomaizina izy.
- 11Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
- 12Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’i Jesosy.
- 13Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety* nanaraka Azy.[*Na: nandeha tongotra]
- 14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
- 15Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina ho azy.
- 16Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
- 17Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
- 18Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
- 19Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ny vahoaka.
- 20Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin’ny folo.
- 21Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
- 22Ary niaraka tamin’izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
- 23Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
- 24Ary efa mby teo ampovoan’ny ranomasina ny sambokely tamin’izay, dia natopatopan’ny alon-drano izy, fa notohain’ny rivotra.
- 25Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina.
- 26Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
- 27Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
- 28Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.
- 29Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy.
- 30Fa raha nahita ny rivotra* izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo รด, vonjeo aho![* Na: (rivotra mahery)]
- 31Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
- 32Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
- 33Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’Andriamanitra tokoa Hianao.
- 34Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
- 35Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
- 36Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.