Matio
Toko 3
- 1Ary tamin’izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr’i Jodia nanao hoe:
- 2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
- 3Fa izy no ilay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).
- 4Ary ny fitafian’izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
- 5Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i i Jordana dia nivoaka nankany amin’i Jaona,
- 6ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
- 7Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
- 8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
- 9ary aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
- 10Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
- 11Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
- 12eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mety maty.
- 13Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa.
- 14Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
- 15Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
- 16Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
- 17Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.