Matio
Toko 15
- 1Dia nankeo amin’i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
- 2Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
- 3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
- 4Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
- 5Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an’Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
- 6Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
- 7Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe:
- 8Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
- 9Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).
- 10Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
- 11tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona.
- 12Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
- 13Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
- 14Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
- 15Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr’izany fanoharana izany.
- 16Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
- 17Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ny fivoahana?
- 18Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
- 19Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3]
- 20izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
- 21Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ny fari-tanin’i Tyro sy Sidona.
- 22Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra.
- 23Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
- 24Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’isiraely.
- 25Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
- 26Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely.
- 27Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.
- 28Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin’izay ora izay.
- 29Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
- 30ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
- 31ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy.
- 32Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
- 33Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
- 34Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
- 35Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin’ny tany.
- 36Dia nandray ny mofo fito mbamin’ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ny vahoaka.
- 37Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
- 38Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
- 39Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ny sisin-tanin’i Magadana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.