Matio
Toko 23
- 1Ary tamin’izany Jesosy dia niteny tamin’ny vahoaka sy tamin’ny mpianany ka nanao hoe:
- 2Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
- 3koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
- 4Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray asa.
- 5Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
- 6Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga
- 7sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby ô!
- 8Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
- 9Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
- 10Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
- 11Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
- 12Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
- 13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra*.[*Ampio hoe:]
- 14(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
- 15Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
- 16Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena amin’ny tempoly, dia haningo-tena izy.
- 17Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
- 18Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
- 19Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
- 20Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
- 21Ary izay mianiana amin’ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’izay mitoetra ao anatiny.
- 22Ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra mbamin’izay mipetraka eo amboniny.
- 23Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo]
- 24Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
- 25Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
- 26Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
- 27Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.
- 28Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
- 29Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ny olona marina,
- 30ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
- 31Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’izay namono ny mpaminany.
- 32Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ny razanareo.
- 33Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?
- 34Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-
- 35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny alitara.
- 36Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
- 37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo!
- 38Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
- 39Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.