Matio
Toko 19
- 1Ary rehefa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin’i Jordana, dia tonga tany amin’ny sisin’i Jodia.
- 2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.
- 3Ary nisy Fariseo nanatona Azy*, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[*Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)]
- 4Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:
- 5Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?
- 6ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.
- 7Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).
- 8Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
- 9Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
- 10Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.
- 11Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;
- 12fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon’ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
- 13Ary tamin’izany dia nisy zazakely nentina teo amin’i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
- 14Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
- 15Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
- 16Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara ô)]
- 17Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)]
- 18Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
- 19Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18).
- 20Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
- 21Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
- 22Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo izy, satria nanana fananana be.
- 23Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
- 24Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 25Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?
- 26Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
- 27Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?
- 28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana*, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’isiraely roa ambin’ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao]
- 29Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)]
- 30Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.