Matio
Toko 22
- 1Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
- 2Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zananilahy.
- 3Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
- 4Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo.
- 5Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ny varony.
- 6Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
- 7Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
- 8Dia hoy izy tamin’ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
- 9Koa mankanesa ianareo any amin’ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady.
- 10Dia nivoaka ho any amin’ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
- 11Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.
- 12Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
- 13Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
- 14Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
- 15Ary tamin’izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ny teniny.
- 16Dia naniraka ny mpianany mbamin’ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona.
- 17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?
- 18Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
- 19Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
- 20Ary hoy Jesosy taminy: An’iza ity sary sy soratra ity?
- 21Hoy izy taminy: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
- 22Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
- 23Tamin’izany andro izany dia nankeo amin’i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy hoe:
- 24Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
- 25Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an’ny rahalahiny ny vadiny;
- 26ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito.
- 27Koa faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
- 28Ary amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
- 29Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.
- 30Fa amin’ny fitsanganan’ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely* any an-danitra izy.[*Na: (anjelin’Andriamanitra)]
- 31Fa ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’Andriamanitra taminareo manao hoe:
- 32Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’isaka ary Andriamanitr’i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an’ny maty, fa an’ny velona.
- 33Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin’ny fampianarany.
- 34Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
- 35Ary ny anankiray tamin’ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
- 36Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?
- 37Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).
- 38Izany no didy lehibe sady voalohany.
- 39Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
- 40Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
- 41Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
- 42Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’i Davida.
- 43Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
- 44Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao (Sal. 110. 1)?
- 45Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
- 46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.