Matio
Toko 17
- 1Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
- 2Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
- 3Ary, indreo, niseho tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’i Jesosy.
- 4Dia niteny Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia.
- 5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
- 6Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
- 7Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
- 8Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
- 9Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.
- 10Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
- 11Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
- 12Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’olona.
- 13Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
- 14Ary rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
- 15Tompoko, mamindrà fo amin’ny zanako-lahy, fa mararin’ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ny afo, ary matetika ao amin’ny rano.
- 16Ary nitondra azy tamin’ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
- 17Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
- 18Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’izay ora izay.
- 19Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
- 20Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
- 21* [*Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)]
- 22Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: Ny Zanak’olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ny olona
- 23ka hovonoiny, nefa amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
- 24Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely* va?[*Gr. didrakma]
- 25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa?
- 26Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
- 27Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely* eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.