Nomery
Toko 9
- 1[Ny nitandreman’ny Zanak’Isiraely ny Paska tany an-efitr’i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy tany an-efitr’i Sinay tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Egypta ka nanao hoe:
- 2Aoka hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Paska amin’ny fotoany.
- 3Amin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
- 4Ary Mosesy niteny tamin’ny Zanak’Isiraely mba hitandrina ny Paska.
- 5Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely.
- 6Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany; dia nankeo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy tamin’izany andro izany
- 7ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah amin’ny fotoany?
- 8Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’i Jehovah ny aminareo.
- 9Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 10Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah ihany koa izy.
- 11Amin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
- 12Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
- 13Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah tamin’ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
- 14Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
- 15[Ny amin’ny rahona izay nitarihan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely] Ary tamin’ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ny andro.
- 16Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
- 17Ary rehefa niakatra niala tamin’ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’Isiraely, ka teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobiany.
- 18Araka ny didin’i Jehovah no niaingan’ny Zanak’Isiraely, ary araka ny didin’i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ny andro rehetra izay nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely no nitobiany.
- 19Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’Isiraely ka tsy niainga.
- 20Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely; araka ny didin’i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’i Jehovah no niaingany.
- 21Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ny rahona, dia niainga izy.
- 22Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
- 23Araka ny didin’i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.