Nomery
Toko 23
- 1Ary hoy Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito.
- 2Dia narahin’i Balaka izay efa nolazain’i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ny isan’alitara.
- 3Dia hoy Balama tamin’i Balaka: Mitoera eto anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
- 4Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ny isan’alitara aho.
- 5Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’i Balaka, ary izany no holazainao.
- 6Dia niverina tany amin’i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan’ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’i Moaba rehetra.
- 7Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
- 8Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’i Jehovah?
- 9Fa eto an-tampon’ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ny jentilisa.
- 10Iza no mahisa ny vovok’i Jakoba, na ny isan’ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
- 11Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
- 12Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Jehovah eto am-bavako?
- 13Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
- 14Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ny isan’alitara.
- 15Dia hoy izy tamin’i Balaka: Mitoera eto anilan’ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’i Jehovah.
- 16Ary Jehovah nihaona tamin’i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’i Balaka ary izany no holazainao.
- 17Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’i Jehovah?
- 18Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’i Zipora;
- 19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
- 20Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
- 21Tsy mijery faharatsiana eo amin’i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’andriana no re eo aminy.
- 22 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
- 23Fa tsy misy fisikidianana eo amin’i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’Isiraely. Fa amin’ny fotoana no hilazana amin’i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’i Jehovah.
- 24Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ny voavono.
- 25Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
- 26Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’i Jehovah, izany no hataoko?
- 27Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Andeha ho entiko any amin’izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
- 28Ary Balama dia nentin’i Balaka ho ao an-tampon’i Peora, izay manatrika ny efitra.
- 29Dia hoy Balama tamin’i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito.
- 30Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain’i Balama ka nanatitra vantotr’ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ny isan’alitara.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.