Nomery
Toko 28
- 1[Fandaharana ny fanatitra atao isan’andro sy amin’izay fotoana hafa voatendrin’Andriamanitra] Ary Jehovah niteny tamin’i ka nanao hoe:
- 2Mandidia ny Zanak’Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin’ny fotoany avy.
- 3Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ny afo, izay haterinareo ho an’i Jehovah: zanak’ondry roa isan’andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
- 4(ny zanak’ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ondry iray koa haterinao nony hariva),
- 5ary koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
- 6Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah.
- 7Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray; ao amin’ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an’i Jehovah ho fanatitra aidina.
- 8Ary ny zanak’ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.
- 9Ary amin’ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak’ondry roa izay iray taona’sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
- 10Fanatitra dorana amin’ny isan-tSabata izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
- 11Ary izao no atero amin’ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
- 12ary koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ny isan-ondrilahy iray,
- 13ary koba tsara toto ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ny isan-janak’ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah.
- 14Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, ary ampahatelon’ny hina ho amin’ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ny isam-bolana, araka ny volana amin’ny taona.
- 15Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an’i Jehovah; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
- 16Ary ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany dia Paskan’i Jehovah.
- 17Ary ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
- 18Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
- 19fa izao no atero ho fanatitra atao amin’ny afo, dia fanatitra dorana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).
- 20ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon’ny efaha no hiaraka haterinareo amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, ary roa ampahafolon’ny efaha amin’ny isan-ondrilahy iray,
- 21ary ampahafolon’ny efaha no hiaraka haterinao amin’ny isan-janak’ondry, dia ny zanak’ondry fito),
- 22ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
- 23Atero ireo ho fanampin’ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
- 24Araka izany no hanateranareo isan’andro amin’ny hafitoana, ho hanina ho an’i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
- 25Ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
- 26Ary amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
- 27ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak’ondry fito, izay iray taona avy,
- 28ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ny efaha amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, roa ampahafolon’ny efaha amin’ny isan’ondrilahy iray,
- 29ary ampahafolon’ny efaha amin’ny isan-janak’ondry iray, dia amin’ny zanak’ondry fito)
- 30ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
- 31Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.