Nomery
Toko 26
- 1[Ny nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy sy Eleazara, zanak’i Arona mpisorona:
- 2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ny Isiraely azo halefa hanafika.
- 3Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko, ka nanao hoe:
- 4Ny hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy ny Zanak’Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta.
- 5Robena, lahimatoan’Isiraely; ary ny zanak’i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ny Hanokita; avy tamin’i Palo ny fokon’ny Paloita;
- 6avy tamin’i Hezrona ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Karmy ny fokon’ny Karmita.
- 7Ireo no fokon’ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
- 8Ary ny zanak’i Palo dia Eliaba.
- 9Ary ny zanak’i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ny fiangonana, izay nila ady tamin’i Mosesy sy Arona, teo amin’ny antokon’i Kora, raha nila ady tamin’i Jehovah izy,
- 10ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’i Kora, tamin’ny nahafatesan’izany antokony izany, ary levon’ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
- 11Kanefa ny zanak’i Kora tsy mba maty.
- 12Ny taranak’i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Nemoela ny fokon’ny Nemoelita; avy tamin’i Jamina ny fokon’ny Jaminita; avy tamin’i Jakina ny fokon’ny Jakinita;
- 13avy tamin’i Zera ny fokon’ny Zerita; avy tamin’i Saoly ny fokon’ny Saolita.
- 14Ireo no fokon’ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
- 15Ny taranak’i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Zefona ny fokon’ny Zefonita; avy tamin’i Hagy ny fokon’ny Hagita; avy tamin’i Sony ny fokon’ny Sonita;
- 16avy tamin’i Ozny ny fokon’ny Oznita; avy tamin’i Erỳ ny fokon’ny Erita;
- 17avy tamin’i Aroda ny fokon’ny Arodita; avy tamin’i Arely ny fokon’ny Arelita.
- 18Ireo no fokon’ny zanak’i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
- 19Ny zanak’i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ny tany Kanana ihany.
- 20Ary ny taranak’i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Sela ny fokon’ny Selita; avy tamin’i Fareza ny fokon’ny Farezita; avy tamin’i Zera ny fokon’ny Zerita.
- 21Ary ny taranak’i Fareza dia izao: avy tamin’i Hezrona ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Hamola ny fokon’ny Hamolita.
- 22Ireo no fokon’i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
- 23Ny taranak’Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Tola ny fokon’ny Tolita; avy tamin’i Pova ny fokon’ny Povita;
- 24avy tamin’i Jasoba ny fokon’ny Jasobita; avy tamin’i Simrona ny fokon’ny Simronita,
- 25Ireo no fokon’Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
- 26Ny taranak’i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Sereda ny fokon’ny Seredita; avy tamin’i Elona ny fokon’ny Elonita; avy tamin’i Jahalela ny fokon’ny Jahalelita.
- 27Ireo no fokon’ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
- 28Ny zanak’i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
- 29Ny taranak’i Manase dia izao: avy tamin’i Makira ny fokon’ny Makirita; ary Makira niteraka an’i Gileada; avy tamin’i Gileada ny fokon’ny Gileadita.
- 30Izao no taranak’i Gileada: avy tamin’i Jezera ny fokon’ny Jezerita; avy tamin’i Heleka ny fokon’ny Helekita;
- 31ary avy tamin’i Äsriela ny fokon’ny Asrielita; ary avy tamin’i Sekema ny fokon’ny Sekemita;
- 32ary avy tamin’i Semida ny fokon’ny Semidita; ary avy tamin’i Hefera ny fokon’ny Heferita.
- 33Ary Zelofada, zanak’i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ny zanakavavin’i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
- 34Ireo no fokon’i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
- 35Izao no taranak’i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’i Sotela ny fokon’ny Sotelita; avy tamin’i Bekera ny fokon’ny Bekerita; avy tamin’i Tahana ny fokon’ny Tahanita.
- 36Ary izao no taranak’i Sotela: avy tamin’i Erana ny fokon’ny Eranita.
- 37Ireo no fokon’ny taranak’i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’i Josefa araka ny fokony.
- 38Ny taranak’i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Bela ny fokon’ny Belita; avy tamin’i Asibela ny fokon’ny Asibelita; avy tamin’i Ahirama ny fokon’ny Ahiramita;
- 39avy tamin’i Sefofama ny fokon’ny Sefofamita; avy tamin’i Hofama ny fokon’ny Hofamita.
- 40Ary ny taranak’i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ny Ardita; ary avy tamin’i Namana ny fokon’ny Namanita.
- 41Ireo no taranak’i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
- 42Izao no taranak’i Dana, araka ny fokony: avy tamin’i Sohama ny fokon’ny Sohamita. Ireo no fokon’i Dana, araka ny fokony.
- 43Ny fokon’ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
- 44Ny taranak’i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’i Jimna ny fokon’ny Jimnita; avy tamin’i Jisvy ny fokon’ny Jisvita; avy tamin’i Bena ny fokon’ny Berita;
- 45avy tamin’ny zanak’i Bena dia izao: avy tamin’i Hebera ny fokon’ny Heberita; avy tamin’i Malkiela ny fokon’ny Malkielita.
- 46Ary ny anaran’ny zanakavavin’i Asera dia Sera.
- 47Ireo no fokon’ny taranak’i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
- 48Ny taranak’i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’i Jaziela ny fokon’ny Jazielita; avy tamin’i Gony ny fokon’ny Gonita;
- 49avy tamin’i Jezera ny fokon’ny Jezerita; avy tamin’i Silema ny fokon’ny Silemita.
- 50Ireo no fokon’i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
- 51Ireo no voalamina tamin’ny Zanak’Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
- 52Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 53Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
- 54Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
- 55Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ny firenen’ny razany no hahazoany zara-tany.
- 56Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ny maro, na ny ho an’ny vitsy.
- 57Ary izao no voalamina tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fokony: avy tamin’i Gersona ny fokon’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata ny fokon’ny Kehatita; avy tamin’i Merary ny fokon’ny Merarita.
- 58Izao no fokon’i Levy: ny fokon’ny Libnita, ny fokon’ny Hebronita, ny fokon’ny Mahalita, ny fokon’ny Mosita, ny fokon’ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’i Amrama.
- 59Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy.
- 60Ary ny naterak’i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
- 61Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’i Jehovah.
- 62Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ny Zanak’Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ny Zanak’Isiraely.
- 63Ireo no voalamin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko.
- 64Ary tamin’ireo dia tsy nisy olona avy tamin’izay efa voalamin’i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’izy nandamina ny Zanak’Isiraely tany an-efitr’i Sinay.
- 65Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ireny afa-tsy Kaleba, zanak’i Jefone, sy Josoa, zanak’i Nona, ihany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.