Nomery
Toko 30
- 1Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy.
- 2[Lalàna ny amin’ny hahatanterahana ny voady sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny tamin’ireo lohan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’i Jehovah:
- 3Raha misy lehilahy mivoady amin’i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
- 4Ary raha misy vehivavy mivoady amin’i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
- 5ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
- 6Fa raha nandrara azy rainy tamin’ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
- 7Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon’ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
- 8ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
- 9Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
- 10Fa ny amin’ny voadin’ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
- 11Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon’ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
- 12ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
- 13Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
- 14Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
- 15Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ny an-davan’andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany.
- 16Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian’ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.
- 17Ireo no lalàna izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.