Nomery
Toko 22
- 1Ary ny Zanak’Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’i Jordana tandrifin’i Jeriko.
- 2[Ny nampanalan’i Balaka an’i Balama] Ary Balaka, zanak’i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ny Isiraely tamin’ny Amorita.
- 3Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’Isiraely.
- 4Dia hoy izy tamin’ny loholon’ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan’ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak’i Zipora, no mpanjakan’i Moaba tamin’izany andro izany.
- 5Dia naniraka olona izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny Ony, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
- 6koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
- 7Dia nandeha ny loholon’ny Moabita sy ny loholon’ny Midianita nitondra ny saran’ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’i Balaka.
- 8Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’i Balama ireo andrian-dahin’i Moaba.
- 9Ary Andriamanitra nankao amin’i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
- 10Dia hoy Balama tamin’Andriamanitra: Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
- 11Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
- 12Ary hoy Andriamanitra tamin’i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
- 13Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ireo andriandahin’i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ny taninareo; fa tsy avelan’i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
- 14Ary niainga ireo andriandahin’i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
- 15Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
- 16Dia tonga tao amin’i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Balaka, zanak’i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
- 17fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
- 18Fa namaly Balama ka nanao tamin’ny mpanompon’i Balaka hoe: Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volemana eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
- 19Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain’i Jehovah amiko koa.
- 20Ary nony alina dia nankao amin’i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
- 21Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin’ireo andriandahin’i Moaba.
- 22Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
- 23Dia hitan’ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana.
- 24Ary Ilay Anjelin’i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan’ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
- 25Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin’i Jehovah, dia niampify teo amin’ny fefy ka nanery ny tongotr’i Balama tamin’ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
- 26Ary mbola nandroso Ilay Anjelin’i Jehovah ka nijanona teo amin’ny fitoerana Èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.
- 27Ary ny boriky nahita ilay Anjelin’i Jehovah, dia nandry teo ambanin’i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran’i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ny tehina izy.
- 28Dia nosokafan’i Jehovah ny vavan’ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
- 29Dia hoy Balama tamin’ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
- 30Ary hoy ny boriky tamin’i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
- 31Dia nampahiratin’i Jehovah ny mason’i Balama hahita Ilay Anjelin’i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
- 32Ary hoy Ilay Anjelin’i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
- 33Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
- 34Dia hoy Balama tamin’Ilay Anjelin’i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
- 35Fa hoy Ilay Anjelin’i Jehovah tamin’i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ireo andriandahin’i Balaka.
- 36Ary nony ren’i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin’ny Tanànan’i Moaba, teo amin’ny fari-tanin’i Arnona, izay eo amin’ny sisin’ny fari-tany.
- 37Ary hoy Balaka tamin’i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao;? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
- 38Dia hoy Balama tamin’i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon’Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
- 39Dia nandeha Balama niaraka tamin’i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
- 40Ary Balaka namono omby sy ondry aman’osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an’i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
- 41[Ny oha-teny nataon’i Balama] Ary nony maraina Balama dia nalain’i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin’ny sisin’ny tobiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.