Nomery
Toko 13
- 1[Ny amin’ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy, ka nanao hoe:
- 2Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ny Zanak’Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ny fireneny avy.
- 3Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’i Jehovah; ary samy lohan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
- 4Ary izao no anarany: Avy tamin’ny firenen’i Robena dia Samoa, zanak’i Zakora;
- 5avy tamin’ny firenen’i Simeona dia Safata, zanak’i Hory;
- 6avy tamin’ny firenen’i Joda dia Kaleba, zanak’i Jefone;
- 7avy tamin’ny firenen’Isakara dia Jigala, zanak’i Josefa;
- 8avy tamin’ny firenen’i Efraima dia Hosea, zanak’i Nona;
- 9avy tamin’ny firenen’i Benjamina dia Palty, zanak’i Rafo;
- 10avy tamin’ny firenen’i Zebolona dia Gadiela, zanak’i Sody;
- 11avy tamin’ny firenen’i Josefa, tamin’ny firenen’i Manase, dia Gady, zanak’i Sosy;
- 12avy tamin’ny firenen’i Dana dia Amiela, zanak’i Gemaly;
- 13avy tamin’ny firenen’i Asera dia Setora, zanak’i Mikaela;
- 14avy tamin’ny firenen’i Naftaly dia Naby, zanak’i Vofsy;
- 15avy tamin’ny firenen’i Gada dia Geoela, zanak’i Maky.
- 16Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa.
- 17Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin’ny tany havoana;
- 18dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
- 19ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
- 20ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ny voaloboka mialin-taona.
- 21Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin’i Hamata.
- 22Dia niakatra tao amin’ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’i Zoana any Egypta.)
- 23Dia nankany amin’ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
- 24Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ny Zanak’Isiraely teo.
- 25Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
- 26Dia nankeo amin’i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
- 27Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
- 28Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
- 29Ny Amalekita no monina eo amin’ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ny ranomasina sy eo amoron’i Jordana.
- 30Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
- 31Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
- 32Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
- 33ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.