Nomery
Toko 24
- 1Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
- 2Dia natopin’i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama.
- 3Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
- 4Izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
- 5Endrey ny hatsaran’ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
- 6Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
- 7Hisy rano mandeha avy eo amin’ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
- 8 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ny zana-tsipìkany.
- 9Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
- 10Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
- 11Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
- 12Dia hoy Balama tamin’i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
- 13Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ny saiko; izay holazain’i Jehovah ihany no holazaiko?
- 14Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’izay hataon’ity firenena ity amin’ny vahoakanao any am-parany.
- 15Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
- 16Izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
- 17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
- 18Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
- 19Ary avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
- 20Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
- 21Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin’ny vatolampy ny akaninao.
- 22Kanefa ho ringana Kaina, alohan’ny hamaboan’i Asyra anao.
- 23Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
- 24Ary hisy sambo avy any amin’ny tany Kitima, dia hampietry an’i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
- 25Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’izay nalehany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.