Nomery
Toko 17
- 1Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Mitenena amin’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ny may ny fitondran’afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;
- 3ary ny fitondran’afon’ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an’ny Zanak’Isiraely ireny.
- 4Ary nalain’i Eleazara mpisorona ny fitondran’afo varahina, izay efa nanateran’ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ny alitara
- 5ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’i Jehovah; fandrao ho tahaka an’i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.
- 6Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’i Jehovah.
- 7Ary raha niangona hanome tsiny an’i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’i Jehovah.
- 8Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ny trano-lay fihaonana.
- 9Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 10Mialà amin’io fiangonana io handringanako azy amin’ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
- 11Ary hoy Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondran’afo, ka asio afo avy eo ambonin’ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
- 12Dia nalain’i Arona izany, araka izay nandidian’i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ny olona.
- 13Dia nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
- 14Ary izay efa matin’ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’i Kora.
- 15Ary Arona niverina ho eo amin’i Mosesy teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.
- 16Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 17Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ny folo; ary samy soraty eo amin’ny tehiny avy ny anaran’izy rehetra.
- 18Fa ny anaran’i Arona no hosoratanao amin’ny tehin’i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ny lohan’ny fianakaviany.
- 19Dia hataonao ao amin’ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan’ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
- 20Ary ny tehin’ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ny Zanak’Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
- 21Ary Mosesy dia niteny tamin’ny Zanak’Isiraely, ka ny lohan’ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ny folo; ary ny tehin’i Arona dia teo afovoan’ireo tehiny ireo.
- 22Dia napetrak’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah, dia tao amin’ny trano lain’ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
- 23Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ny trano-lain’ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’i Arona, izay ho an’ny taranak’i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
- 24Dia nentin’i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan’i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin’ny Zanak’Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
- 25Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Avereno ny tehin’i Arona ho eo anoloan’ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
- 26Dia nataon’i Mosesy izany; araka izay efa nandidian’i Jehovah azy no nataony.
- 27Dia niteny tamin’i Mosesy ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
- 28Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’i Jehovah; ho lany maty va izahay?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.