Nomery
Toko 20
- 1[Ny nitobian’ny Zanak’Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an’i Mosesy sy Arona tamin’izy nampivoaka rano avy tamin’ny vatolampy] Ary tamin’ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
- 2Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’i Mosesy sy Arona.
- 3Dia nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Jehovah!
- 4Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho amin’ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
- 5Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin’ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
- 6Dia niala teo anatrehan’ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’i Jehovah.
- 7Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
- 9Dia nalain’i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
- 10Dia novorin’i Mosesy sy Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
- 11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
- 12Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ny Zanak’Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ny tany izay nomeko azy ianareo.
- 13Ity no ranon’i Meriba, izay nilan’ny Zanak’Isiraely ady tamin’i Jehovah, ka nisehoan’i Jehovah ho masina tamin’ny nataony taminy.
- 14[Ny teny nampitondrain’ny Isiraely tamin’ny mpanjakan’i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
- 15dia ny nidinan’ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
- 16ary raha nitaraina tamin’i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ny faritry ny taninao, izahay;
- 17koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin’ny lavaka fantsakana akory: ny lalan’andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
- 18Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.
- 19Dia hoy ny Zanak’Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
- 20Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
- 21Toy izany no nandavan’ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak’Isiraely.
- 22Ary nifindra ny Zanak’Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
- 23Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin’ny fari-tanin’i Edoma, ka nanao hoe:
- 24Arona hangonina any amin’ny razany; fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Zanak’Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ny ranon’i Meriba ianareo.
- 25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
- 26dia esory ny fitafian’i Arona, ka atafio an’i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ny razany ka ho faty ao.
- 27Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason’ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
- 28Dia nesorin’i Mosesy ny fitafian’i Arona ka natafiny an’i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon’ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.
- 29Koa nony hitan’ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’Isiraely rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.