Nomery
Toko 34
- 1[Ny ho faritry ny tany Kanana] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Mandidia ny Zanak’Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
- 3Ary ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia hatramin’ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
- 4dia miolaka eo atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’i Kadesibarnea, dia mahazo an’i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
- 5ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta, ka dia mihatra amin’ny ranomasina.
- 6Ary ny amin’ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
- 7Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
- 8ary hatramin’ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’i Zedada,
- 9dia hahazo an’i Zifrona, ka dia hihatra an’i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
- 10Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
- 11dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ny Ranomasin’i Kinereta atsinanana,
- 12dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
- 13Ary Mosesy nandidy ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
- 14fa ny firenena taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
- 15dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’i Jordana, hitsin’i Jeriko, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro.
- 16[Ny anaran’ny lehilahy roa ambin’ny folo notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 17Izao no anaran’ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona.
- 18Ary loholona iray avy amin’ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
- 19Ary izao no anaran’ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ny firenen’i Joda dia Kaleba, zanak’i Jefone;
- 20ary ny avy amin’ny firenena taranak’i Simeona dia Semoela, zanak’i Amihoda;
- 21ary ny avy amin’ny firenen’i Benjamina dia Elidada, zanak’i Kislona;
- 22ary ny lohan’ny firenena taranak’i Dana dia Boky, zanak’i Jogly;
- 23ary ny avy amin’ny taranak’i Josefa: ny lohan’ny firenena taranak’i Manase dia Haniela, zanak’i Efoda;
- 24ary ny lohan’ny firenena taranak’i Efraima dia Kemoela, zanak’i Siftana;
- 25ary ny lohan’ny firenena taranak’i Zebolona dia Elizafana, zanak’i Parnaka;
- 26ary ny lohan’ny firenena taranak’Isakara dia Paltiela, zanak’i Azana;
- 27ary ny lohan’ny firenena taranak’i Asera dia Ahihoda, zanak’i Selomy;
- 28ary ny lohan’ny firenena taranak’i Naftaly dia Pedahela, zanak’i Amihoda.
- 29Ireo no nodidian’i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ny Zanak’Isiraely.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.