Nomery
Toko 27
- 1[Ny fanontanian’ny zanakavavin’i Zelofada, sy ny lalàna izay natao ny amin’izany] Ary avy ny zanakavavin’i Zelofada, zanakalahin’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fokon’i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
- 2dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
- 3Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ny antokon’i Kora izay niangona hiodina tamin’i Jehovah tsy akory; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
- 4Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay.
- 5Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ny tenin’ireo.
- 6Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 7Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
- 8Ary lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
- 9Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
- 10Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
- 11Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’Isiraely izany araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 12[Ny amin’ny hahafatesan’i Mosesy, sy ny nanendrena an’i Josoa ho mpandimby azy. Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Miakara amin’ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’Isiraely.
- 13Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’i Arona rahalahinao;
- 14fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ilay nilan’ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny rano teo imasony. (Izany no ranon’i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
- 15Ary Mosesy niteny tamin’i Jehovah hoe:
- 16Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
- 17ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’i Jehovah.
- 18Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
- 19ary asaovy mijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
- 20Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra azy.
- 21Ary Josoa hijanona eo anatrehan’i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ny fitsaran’i Orima eo anatrehan’i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
- 22Ary nataon’i Mosesy araka izay efa nandidian’i Jehovah azy; dia naka an’i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
- 23ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.