Nomery
Toko 25
- 1[Ny nijangajangan’ny Isiraely tamin’ny zanakavavin’ny Moabita] Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ny zanakavavin’ny Moabita izy.
- 2Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ny andriamaniny.
- 3Dia niray tamin’i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’i Jehovah.
- 4Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny Isiraely.
- 5Dia hoy Mosesy tamin’ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin’i Bala-peora.
- 6Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ny Zanak’Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana.
- 7Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
- 8dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ny Zanak’Isiraely.
- 9Ary izay maty tamin’ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
- 10Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 11Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ny Zanak’Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’Isiraely tamin’ny firehetan’ny fahatezerako.
- 12Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken’ny fihavanako;
- 13ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an’Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an’ny Zanak’Isiraely.
- 14Ary ny anaran’ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan’ny fianakaviana tamin’ny Simeonita.
- 15Ary ny anaran’ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak’i Zora, lohan’ny fianakaviana tamin’ny Midianita.
- 16Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 17Rafeso ny Midianita, ka iadio;
- 18fa izy nandrafy anareo tamin’ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin’ny an’i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ny andron’ny areti-mandringana noho ny an’i Peora.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.