Nomery
Toko 12
- 1[Ny nanomezan’i Miriama sy Arona tsiny an’i Mosesy, sy ny nataon’Andriamanitra tamin’izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
- 2Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’i Jehovah izany.
- 3Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany.
- 4Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin’i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin’ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
- 5Ary andri-rahona no nidinan’i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran’ny trano-lay Izy; dia niantso an’i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
- 6Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’i Jehovah eo aminareo, dia amin’ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ny nofy no hitenenako aminy.
- 7Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ny tranoko rehetra.
- 8Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny fahitana, fa tsy amin’ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
- 9Dia nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izy mianadahy, ka niala Izy.
- 10Ary ny rahona niala tamin’ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’i Miriama, ka indro fa boka izy.
- 11Ary hoy Arona tamin’i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
- 12Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
- 13Ary Mosesy dia nitaraina tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
- 14Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
- 15Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
- 16Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.