Nomery
Toko 31
- 1[Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 2Valio ny Midianita noho ny nataony tamin’ny Zanak’Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin’ny razanao ianao.
- 3Dia niteny tamin’ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’i Jehovah azy.
- 4Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ny firenen’Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
- 5Dia navahana tamin’ny firenen’Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
- 6Ary nampandehanin’i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
- 7Dia niady tamin’ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
- 8ary ny mpanjakan’i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin’ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak’i Beora, koa dia novonoiny tamin’ny sabatra.
- 9Ary ny Zanak’Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
- 10Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ny afo.
- 11Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
- 12dia nentiny tany amin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ny Zanak’Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko.
- 13Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ny toby.
- 14Ary tezitra tamin’ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
- 15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
- 16Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’Isiraely tamin’i Jehovah ny amin’i Peora, araka ny tenin’i Balama, ka nahazo ny fiangonan’i Jehovah ny areti-mandringana.
- 17Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
- 18Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
- 19Ary mitobia eo ivelan’ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin’ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
- 20Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon’osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
- 21Ary hoy Eleazara mpisorona tamin’ny mpanafika, izay efa tany amin’ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’i Jehovah’an i Mosesy:
- 22Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
- 23dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ny rano ihany.
- 24Ary sasao ny fitafianareo amin’ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ny toby ianareo.
- 25Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 26Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan’ny fianakaviana amin’ny fiangonana ny isan’ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
- 27ary sasaho ny babo ho an’izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an’ny fiangonana rehetra;
- 28kanefa makà anjara ho an’i Jehovah avy amin’ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’osy;
- 29ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’i Jehovah.
- 30Ary ny antsasany an’ny Zanak’Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’i Jehovah.
- 31Dia nataon’i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 32Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ny mpanafika, dia ondry aman’osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
- 33sy omby roa arivo amby fito alina,
- 34sy boriky arivo amby enina alina,
- 35ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
- 36Ary ny antsasany izay anjaran’ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan’ny ondry aman’osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
- 37ary ny anjaran’i Jehovah avy tamin’ny ondry aman’osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
- 38Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran’i Jehovah avy tamin’ireo dia roa amby fito-polo.
- 39Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran’i Jehovah avy tamin’ireo dia iraika amby enim-polo.
- 40Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran’i Jehovah avy tamin’ireo dia roa amby telo-polo.
- 41Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’i Jehovah, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 42Ary avy tamin’ny antsasany an’ny Zanak’Isiraely, izay nozarain’i Mosesy avy tamin’ny mpanafika
- 43(fa ny antsasany an’ny fiangonana dia ondry aman’osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
- 44sy omby enina arivo amby telo alina,
- 45sy boriky diman-jato amby telo alina,
- 46ary olona enina arivo amby iray alina),
- 47ny antsasany an’ny Zanak’Isiraely dia nanalan’i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 48Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’i Mosesy
- 49ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan’ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
- 50koa nitondra fanatitra ho an’i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ny ainay eo anatrehan’i Jehovah.
- 51Dia noraisin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
- 52Ary ny volamena rehetra tamin’ny fanatitra nalain’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an’i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
- 53(fa ny mpanafika samy namabo ho an’ny tenany).
- 54Dia noraisin’i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely eo anatrehan’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.