Nomery
Toko 1
- 1[Ny nandaminana ny firenen’Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy tany an-efitr’i Sinay, tao amin’ny trano-lay fihaonana tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa taorian’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Egypta, ka nanao hoe:
- 2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
- 3dia ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
- 4Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan’ny fianakaviany avy.
- 5Ary izao no anaran’ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’i Robena dia Elizora, zanak’i Sedeora;
- 6ny avy amin’i Simeona dia Selomiela, zanak’i Zorisaday;
- 7ny avy amin’i Joda dia Nasona, zanak’i Aminadaba;
- 8ny avy amin’Isakara dia Netanela, zanak’i Zoara;
- 9ny avy amin’i Zebolona dia Eliaba, zanak’i Helona;
- 10ny avy amin’ny zanak’i Josefa dia Elisama, zanak’i Amihoda, avy amin’i Efraima, ary Gamaliela, zanak’i Pedazora, avy amin’i Manase kosa;
- 11ny avy amin’i Benjamina dia Abidana, zanak’i Gideony;
- 12ny avy amin’i Dana dia Ahiezera, zanak’i Amisaday;
- 13ny avy amin’i Asera dia Fagiela, zanak’i Okrana;
- 14ny avy amin’i Gada dia Eliasafa, zanak’i Doela;
- 15ny avy amin’i Naftaly dia Ahira, zanak’i Enana.
- 16Ireo no voafidin’ny fiangonana, dia samy lohan’ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ny Isiraely.
- 17Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
- 18dia namory ny fiangonana rehetra tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra.
- 19Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr’Sinay.
- 20Ary tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
- 21izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
- 22Ary tamin’ny taranak’i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
- 23izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
- 24Ary tamin’ny taranak’i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 25izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
- 26Ary tamin’ny taranak’i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 27izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
- 28Ary tamin’ny taranak’Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 29izay voalamina avy tamin’ny firenen’Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
- 30Ary tamin’ny taranak’i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 31izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
- 32Ary tamin’ny taranak’i Josefa: dia avy tamin’ny taranak’i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 33izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
- 34ary tamin’ny taranak’i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 35izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
- 36Ary tamin’ny taranak’i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 37izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
- 38Ary tamin’ny taranak’i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 39izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
- 40Ary tamin’ny taranak’i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
- 41izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
- 42Ary tamin’ny taranak’i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
- 43izay voalamina avy tamin’ny firenen’i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
- 44Ireo no voalamin’i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin’ny folo lahy lehibe amin’ny Isiraely, izay samy lohan’ny fianakaviany avy.
- 45Ary izay rehetra avy tamin’ny Zanak’Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin’ny Isiraely,
- 46dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
- 47[Ny amin’ny raharahan’ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan’ireo.
- 48Fa Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:
- 49Ny firenen’ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Isiraely;
- 50fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
- 51Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
- 52Dia hitoby ny Zanak’Isiraely, samy eo amin’ny tobiny avy, ary samy eo amin’ny fanevany ary, araka ny antokony.
- 53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ny Zanak’Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ny Vavolombelona.
- 54Dia nataon’ny Zanak’Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.