Asan’ny Apostoly
Toko 7
- 1Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
- 2fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
- 3ka nanao taminy hoe: Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
- 4Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran’Andriamanitra niala teo izy hankany amin’ny tany izay onenanareo ankehitriny.
- 5Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
- 6Ary nolazain’Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin’ny tanin’ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
- 7Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin’ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).
- 8Ary nomeny fanekena amin’ny famorana izy. Ary dia niteraka an’isaka izy ka namora azy tamin’ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an’i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin’ny folo lahy.
- 9Ary nialona an’i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
- 10ka nahafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’i Farao, mpanjakan’i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin’izay rehetra tao an-dapany.
- 11Ary nisy mosary eran’i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
- 12Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin’ny voalohany.
- 13Ary tamin’ny fanindroany dia fantatr’izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr’i Farao koa ny havan’i Josefa.
- 14Ary Josefa naniraka ka nampaka an’i Jakoba rainy mbamin’ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
- 15Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
- 16ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hamora tany Sekema.
- 17Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
- 18mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa.
- 19Ary izy nanao hafetsena tamin’ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
- 20Tamin’izany andro izany no nahaterahan’i Mosesy, ary tsara teo anatrehan’Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon’ny rainy.
- 21Fa rehefa nariana izy, dia nalain’ny zanakavavin’i Farao ka notezainy ho zanany.
- 22Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana, ary nahery tamin’ny teniny sy ny asany izy.
- 23Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak’isiraely, rahalahiny
- 24Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
- 25Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
- 26Ary nony ampitson’iny dia niseho tamin’ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
- 27Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
- 28Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan’ialahy ilay Egyptiana omaly? (Eks. 2. 13, 14.)
- 29Ary tamin’izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin’ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
- 30Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin’ny voaroy.
- 31Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon’ny Tompo nanao hoe:
- 32Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
- 33Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin’ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
- 34Hitako tokoa ny fahorian’ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
- 35Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ny tanan’ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin’ny voaroy.
- 36Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
- 37Izany no Mosesy izay nilaza tamin’ny Zanak’isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan’Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
- 38Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-efitra mbamin’ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin’ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
- 39Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an’i Egypta ny fony,
- 40ka hoy izy tamin’i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
- 41Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ny sampy ka niravoravo tamin’ny asan’ny tànany.
- 42Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin’ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak’isiraely?
- 43Tsia, fa nobetainareo ny tranolain’i Moloka sy ny kintan’ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr’i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
- 44Ny trano-lain’ny Vavolombelona dia teo amin’ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin’izay niteny tamin’i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
- 45Izany koa dia noraisin’ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin’i Josoa tamin’ny nahazoany ny tanin’ny firenena izay noroahin’Andriamanitra hiala teo anoloan’ny razantsika hatramin’ny andron’i Davida;
- 46izy nahita fitia anatrehan’Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an’Andriamanitr’i Jakoba.
- 47Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
- 48Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin’izay nataon-tànan’olona; araka ny nolazain’ny mpaminany hoe:
- 49Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
- 50Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
- 51Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.
- 52Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
- 53dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ny nandaharan’anjely azy, nefa tsy nankato izany.
- 54Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
- 55Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra,
- 56dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.
- 57Ary ny olona niantso tamin’ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
- 58dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
- 59Ary ny olona nitora-bato an’i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
- 60Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.