Asan’ny Apostoly
Toko 3
- 1[Ny nahasitranan’i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin’ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ny tempoly tamin’ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
- 2Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’andro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra teo an-kianjan’ny tempoly;
- 3nony nahita an’i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan’ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
- 4Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
- 5Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
- 6Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
- 7Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
- 8Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra.
- 9Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’Andriamanitra.
- 10Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
- 11Ary raha nihazona an’i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin’izy telo lahy teo amin’ny fialofana izay atao hoe Fialofan’i Solomona, ka talanjona.
- 12Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
- 13Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony*, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [* Na: Zanany]
- 14Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
- 15fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay.
- 16Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
- 17Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
- 18Fa izany no nahatanterahan’Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ny Kristiny.
- 19Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo,
- 20ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
- 21Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.
- 22Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan’i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo.
- 23Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona (Deo. 18. 15, 19).
- 24Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
- 25Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen. 22. 18).
- 26Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ny fialanareo rehetra amin’ny faharatsianareo isam-batan’olona. [*Na: ny Zanany]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.