Asan’ny Apostoly
Toko 16
- 1Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa* rainy - [* Gr. Grika]
- 2ary tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
- 3Koa tian’i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa jentilisa* rainy. [ Gr. Grika]
- 4Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona* tany Jerosalema. [*Gr.presbytera]
- 5Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’andro.
- 6[Ny niantsoan’Andriamanitra an’i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon’i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
- 7ka efa tonga tany an-tsisin’i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesosy.
- 8Ary rehefa nandalo an’i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
- 9Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
- 10Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any.
- 11Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
- 12Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’izany zara-tanin’i Makedonia izany sady zana-panjakana*; ary nitoetra teo amin’izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [* Gr. kolonia]
- 13Ary tamin’ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ny vavahady izahay nankeny amoron’ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ny vehivavy vory teo.
- 14Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly.
- 15Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
- 16Ary raha nandeha ho any amin’ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ny tompony harena be.
- 17Izy nanaraka an’i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
- 18Ary nataony tamin’ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’izany ora izany indrindra izy.
- 19Ary nony hitan’ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ny lehibe;
- 20ary rehefa nentiny tany amin’ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
- 21ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
- 22Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ny hazo izy.
- 23Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
- 24Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ny boloky hazo.
- 25Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
- 26Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra.
- 27Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
- 28Fa Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
- 29Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’i Paoly sy Silasy.
- 30Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
- 31Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
- 32Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ny Tompo taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony.
- 33Ary nandray azy roa lahy izy tamin’izany ora amin’ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra.
- 34Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra.
- 35Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
- 36Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
- 37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
- 38Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
- 39Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
- 40Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon’i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.