Asan’ny Apostoly
Toko 27
- 1[Ny nitondrana an’i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ny antokon’i Aogosto.
- 2Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin’i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
- 3Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’i Jolio an’i Paoly, fa navelany hankany amin’ny sakaizany izay hiahy azy izy.
- 4Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an’i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
- 5Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
- 6Ary tao no nahitan’ny kapiteny sambon’Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
- 7Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin’i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin’i Salmona izahay;
- 8ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin’ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin’izany ny tanàna Lasea.
- 9Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin’izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana*, dia nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany]
- 10ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
- 11Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain’i Paoly.
- 12Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina, dia nataon’ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana*. [*Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
- 13Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin’i Kreta.
- 14Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
- 15Ary raha nopaohin’ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
- 16Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda* nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [* Na: (Klaoda)]
- 17ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin’ilay fasika mandrevo*, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [* Gr. Syrtisy]
- 18Ary raha nasian’ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
- 19ary nony ampitso’io indray dia narian’ny tànany ihany ny fanaka teo amin’ny sambo;
- 20fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin’ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
- 21Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
- 22Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
- 23Fa nisy anjelin’Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
- 24ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
- 25Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an’Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
- 26Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin’ny nosy anankiray isika.
- 27Ary tamin’ny alina fahefatra ambin’ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon’ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
- 28dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin’ny folo refy.
- 29Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin’ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
- 30Fa raha nitady handositra hiala tamin’ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin’ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
- 31dia hoy Paoly tamin’ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
- 32Dia notapahin’ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ny salopy, ka navelany ho latsaka.
- 33Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin’ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin’ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
- 34Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
- 35Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
- 36Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
- 37Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
- 38Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina* mba hanamaivana ny sambo. [*Na: ny vary tritika]
- 39Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
- 40Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon’ny rivotra ka nanatona ny tany.
- 41Ary raha tonga tamin’izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin’ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon’ny herin’ny onja.
- 42Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
- 43Fa ny kapiteny ta-hamonjy an’i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin’ny tany,
- 44ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin’ny hazo fisaka, na amin’ny zavatra avy amin’ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.