Asan’ny Apostoly
Toko 24
- 1[Ny nitsarana an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ny mpanapaka ny niampangany an’i Paoly.
- 2Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
- 3Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra รด.
- 4Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin’ny faharetana izahay.
- 5Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ilay antoko atao hoe Nazarena.
- 6Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy*; [* Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay]
- 7[Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy]
- 8ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
- 9Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
- 10Ary rehefa notondroin’ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
- 11fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
- 12Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona teo an-kianjan’ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ny synagoga, na tao an-tanàna;
- 13ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
- 14Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana* izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ny lalàna sy ny mpaminany, [*Gr. lalàna]
- 15ary manantena amin’Andriamanitra aho, izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.
- 16Ary amin’izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva.
- 17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ny fireneko.
- 18Ary tamin’izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ny tempoly aho, tsy tamin’ny olona maro anefa, na tamin’ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia,
- 19- tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy.
- 20Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ny Synedriona aho,
- 21afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
- 22Ary satria fantatr’i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’izany fampianarana* izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [* Gr. lalàna]
- 23Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
- 24Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesosy.
- 25Ary raha nitory ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho.
- 26Sady nanantena koa izy fa homen’i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
- 27Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin’ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.