Asan’ny Apostoly
Toko 14
- 1[Ny nitorian’i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]
- 2Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
- 3Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ny fahasoavany
- 4Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
- 5Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ny loholony,
- 6ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ny tany manodidina, izy,
- 7dia nitory ny filazantsara tany.
- 8Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
- 9izy nahare an’i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
- 10dia niteny tamin’ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
- 11Ary nony hitan’ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon’i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin’ny fitenin’i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’olona!
- 12Ary ny anaran’i Barnabasy nataony hoe Jopitera*, ary Paoly kosa Merkory**, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [* Gr. Zeosy] [** Gr. Hermesy]
- 13Ary ny mpisoron’ilay Jopitera teo anoloan’ny tanàna, mbamin’ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
- 14Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan’ny olona sady niantso nanao hoe:
- 15Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao hanatona an’Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny,
- 16Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin’ny lalana tiany haleha tamin’ny andro lasa.
- 17Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.
- 18Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
- 19Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
- 20Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
- 21Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
- 22nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 23Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera]
- 24Ary rehefa nandeha namaky an’i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
- 25Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
- 26Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ho amin’ny asa izay novitainy.
- 27Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ny jentilisa.
- 28Dia nitoetra elaela ihany tamin’ny mpianatra izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.