Asan’ny Apostoly
Toko 19
- 1Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
- 2ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
- 3Ary hoy Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’i Jaona.
- 4Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
- 5Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.
- 6Ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
- 7Ary tokony ho roa ambin’ny folo lahy no isan’izy rehetra.
- 8Ary Paoly niditra tao amin’ny synagoga ka niteny tamin’ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 9Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason’ny olona maro, dia niala tamin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’andro tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano. [* Gr. lalana]
- 10Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]
- 11Ary ny tànan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
- 12ka dia ny mosara sy ny fiaron’akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
- 13Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’i Jesosy Izay torin’i Paoly aho.
- 14Ary nisy fito mirahalahy, zanak’i Skeva, Jiosy, lohan’ny mpisorona, izay nanao izany.
- 15Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
- 16Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
- 17Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’i Jesosy Tompo.
- 18Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
- 19Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
- 20Fatratra toy izany no fandroson’ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny.
- 21Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’i Roma koa.
- 22Ary ny roa lahy tamin’izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
- 23[Ny tabataba nataon’i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin’izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’izany fampianarana* izany. [* Gr. lalana]
- 24Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ny tempolin’i Diana* tamin’ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [* Gr. Artemisy]
- 25ireny mbamin’ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
- 26Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
- 27Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin’i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan’i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
- 28Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan’ny Efesiana!
- 29Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an’i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin’i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
- 30Ary raha te-hiditra ho any amin’ny olona Paoly, dia tsy navelan’ny mpianatra.
- 31Ary ny lehibe sasany tany Asia*, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [* Gr. Asiarka]
- 32Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton’ny niangonany teo.
- 33Ary nisy nisarika an’i Aleksandro avy teo amin’ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin’ny olona.
- 34Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan’ny Efesiana!
- 35Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesiana no mpitahiry an’i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’i Jopitera *? [* Gr. Zeosy]
- 36Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
- 37Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
- 38Koa raha manan-teny hifamaliana amin’olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
- 39Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin’izay fivoriana voatendrin’ny lalàna.
- 40Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
- 41Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.