Asan’ny Apostoly
Toko 23
- 1Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka androany.
- 2Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
- 3Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
- 4Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’Andriamanitra?
- 5Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
- 6Ary rehefa fantatr’i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy.
- 7Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
- 8Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan’ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
- 9Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan’ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok’io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
- 10Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan’ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
- 11Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
- 12[Ny namindrana an’i Paoly nankany Kaisaria mba tsy ho azon’izay efa nianiana hahafaty azy] Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’i Paoly.
- 13Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
- 14Ary izy nankany amin’ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an’i Paoly.
- 15Koa ankehitriny dia milazà amin’ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin’izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
- 16Ary nony ren’ny zanak’anabavin’i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin’i Paoly.
- 17Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin’ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
- 18Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin’ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
- 19Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin’ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
- 20Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an’i Paoly ho any amin’ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
- 21Koa aza manaiky azy ianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an’i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aminao.
- 22Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin’olona fa efa nilaza izany tamiko ianao.
- 23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ny ora fahatelo;
- 24ary itondray biby koa hitaingenan’i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin’i Feliksa mpanapaka.
- 25Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
- 26Klaodio Lysia miarahaba an’i Feliksa, mpanapaka tsara indrindra.
- 27Ity lehilahy ity dia nosamborin’ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
- 28Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin’ny Synedriona izy;
- 29dia hitako fa ady hevitra ny amin’ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
- 30Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy. [ Ampio hoe. [Veloma]
- 31Dia nalain’ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin’iny alina iny ho any Antipatria.
- 32Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
- 33Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin’ny mpanapaka sady nanolotra an’i Paoly ho eo anatrehany koa.
- 34Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
- 35dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tongay ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan’i* Heroda izy. [* Gr. pretoria]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.