Asan’ny Apostoly
Toko 2
- 1[Ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon’i Petera tamin’izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra.
- 2Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
- 3Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany.
- 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.
- 5Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ny lanitra.
- 6Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra.
- 7Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
- 8Koa ahoana no andrenesantsika amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
- 9- dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
- 10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
- 11Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra?
- 12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’izany?
- 13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
- 14Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
- 15Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
- 16Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe:
- 17Ary amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
- 18Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, Ka dia haminany izy;
- 19Ary hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ny setroka;
- 20Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
- 21Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
- 22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
- 23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna;
- 24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitr’izany hohazonina Izy.
- 25Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
- 26Dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ny fanantenana;
- 27Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [*Gr. Hadesy]
- 28Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao (Sal. 16. 8-11).
- 29Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
- 30Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka* eo ambonin’ny seza fiandrianany, [*Na: hapetrany]
- 31koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [*Gr. Hadesy]
- 32Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.
- 33Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra]
- 34Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
- 35Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
- 36Koa aoka ho fantatry ny taranak’isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
- 37Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
- 38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
- 39fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
- 40Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity ianareo.
- 41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’izany andro izany.
- 42Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
- 43Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ny Apostoly.
- 44Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
- 45ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
- 46Ary dia niray saina isan’andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
- 47nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’ireo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.