Asan’ny Apostoly
Toko 11
- 1[Ny namalian’i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin’Andriamanitra.
- 2Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan’ny voafora
- 3ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin’ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
- 4Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ny niandohany ka nanao hoe:
- 5Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
- 6ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
- 7Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
- 8Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
- 9Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’Andriamanitra aza ataonao ho fady.
- 10Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
- 11Ary tamin’izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
- 12Dia nasain’ny Fanahy hiaraka tamin’ireo aho ka tsy hizaha tavan’olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
- 13Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
- 14izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
- 15Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
- 16Dia nahatsiaro ny tenin’ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.
- 17Koa raha mba homen’Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra?
- 18Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
- 19[Ny nandrosoan’ny tenin’Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran’i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ny olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany.
- 20Ary ny sasany tamin’ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ny jentilisa* koa ka nitory an’i Jesosy Tompo. [* Gr. Grika; na Helenista]
- 21Ary ny tanan’ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo.
- 22Ary ren’ny sofin’ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ireo, dia naniraka an’i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
- 23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra.
- 24Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ny Tompo.
- 25Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’i Saoly.
- 26Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ny fiangonana hatramin’ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe.
- 27[Ny naminanian’i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin’izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
- 28Ary nitsangana ny anankiray tamin’ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ny andron’i Klaodio.
- 29Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
- 30Dia nataony izany, ary ny tànan’i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ny loholona*. [* Gr. presbytera]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.