Asan’ny Apostoly
Toko 12
- 1[Ny amin’ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an’i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin’izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ny fiangonana.
- 2Ary izy namono an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona, tamin’ny sabatra.
- 3Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izany.)
- 4Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ny miaramila enina ambin’ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [* Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
- 5Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho azy.
- 6Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
- 7Ary, indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ny tànany ny gadra.
- 8Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
- 9Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
- 10Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ny lalana iray; ary niaraka tamin’izay dia nandao azy i]ay anjely.
- 11Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ny tànan’i Heroda sy ny fanantenan’ny Jiosy rehetra.
- 12Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
- 13Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
- 14Ary rehefa nahalala ny feon’i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
- 15Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
- 16Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
- 17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ny fitoerana hafa.
- 18Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
- 19Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
- 20Ary Heroda tezitra loatra tamin’ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ny tanin’i Heroda*. [* Gr. ny mpanjaka]
- 21Ary tamin’ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ny vahoaka.
- 22Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!
- 23Ary niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty.
- 24Ary nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra.
- 25Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany* Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [* Na: niverina tany]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.