Asan’ny Apostoly
Toko 1
- 1[Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran’i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay nataon’i Jesosy sy nampianariny,
- 2hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
- 3sady niseho koa tamin’ny famantarana maro taorian’ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 4Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana]
- 5fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
- 6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?
- 7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon’ny Ray ho adidin’ny tenany ihany]
- 8Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.
- 9Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
- 10Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
- 11izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
- 12Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin’i Jerosalema (araka izay mety haleha amin’ny Sabata).
- 13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak*’i Jakoba. [* Na: rahalahin’]
- 14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ny vehivavy sy Maria, renin’i Jesosy, ary ny rahalahiny.
- 15[Ny nifidianan’ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an’i Jodasy] Ary tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ny olona* vory teo) ka nanao hoe: [*Gr. anarana]
- 16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ny Soratra Masina nampilazain’ny Fanahy Masina rahateo an’i Davida ny amin’i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’i Jesosy;
- 17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’izao fanompoana izao koa.
- 18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
- 19Ary fantatr’izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’izany saha izany amin’ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
- 20Fa voasoratra eo amin’ny Bokin’ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
- 21Koa amin’ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
- 22hatramin’ny batisan’i Jaona ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany.
- 23Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
- 24Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo รด, Izay mahalala ny fon’ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto,
- 25mba hahazoany anjara amin’izao fanompoana sy ny mah’Apostoly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.
- 26Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan’ny Apostoly iraika ambin’ny folo lahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.