Asan’ny Apostoly
Toko 5
- 1[Ny amin’i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
- 2ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly.
- 3Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin’ny tany?
- 4Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’olona ianao, fa tamin’Andriamanitra.
- 5Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
- 6Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
- 7Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
- 8Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin’ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
- 9Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
- 10Dia nikarapoka teo anoloan’ny tongony niaraka tamin’izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ny lahy.
- 11Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
- 12[Ny fahagagana nataon’ny Apostoly sy ny nandrosoan’ny fiangonana] Ary ny tanan’ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ny Fialofan’i Solomona;
- 13ary tsy nisy tamin’ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
- 14Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
- 15ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Petera ahay, raha mandalo izy.
- 16Ary ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
- 17[Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan’ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra (izay antokon’ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
- 18dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
- 19Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
- 20Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
- 21Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ny Zanak’isiraely izy ka naniraka nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apostoly.
- 22Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
- 23Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
- 24Ary ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’izay ho faran’izany.
- 25Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ny tempoly ka mampianatra ny olona.
- 26Dia lasa ny lehiben’ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
- 27Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
- 28ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.
- 29Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
- 30Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy, Izay novonoin’ny tananareo nahantonareo teo amin’ny hazo.
- 31Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra]
- 32Ary izahay dia vavolombelon’izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy.
- 33Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
- 34Dia nitsangana teo amin’ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
- 35Dia hoy izy tamin’ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ireo olona ireo.
- 36Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
- 37Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
- 38Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
- 39fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.
- 40Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
- 41Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany.
- 42Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.