Asan’ny Apostoly
Toko 10
- 1[Ny amin’i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila atao hoe Italiana;
- 2ary mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ny olona sady nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva.
- 3Ary izy nahita miharihary tamin’ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
- 4Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra.
- 5Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
- 6mitoetra ao amin’i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
- 7Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’izay nanaraka azy isan’andro.
- 8Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
- 9Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin’ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.
- 10Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
- 11ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany;
- 12ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
- 13Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
- 14Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
- 15Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
- 16Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay zavatra.
- 17Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin’i Kornelio nanontany ny tranon’i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
- 18dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
- 19Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
- 20fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
- 21Ary Petera nidina tany amin’ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ny ahatongavanareo atỳ?
- 22Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’Andriamanitra ka tsara laza amin’ny firenen’ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
- 23Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
- 24Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
- 25Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy.
- 26Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
- 27Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
- 28Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
- 29Ary amin’izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
- 30Dia hoy Kornelio: Loak’andro afak’omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
- 31ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.
- 32Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon’i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
- 33Koa niaraka tamin’izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ny Tompo anao.
- 34Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
- 35fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
- 36Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’izao rehetra izao),
- 37dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian’ny batisa izay notorin’i Jaona, dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta,
- 38Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
- 39Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ny hazo;
- 40nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
- 41tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
- 42Ary Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
- 43Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
- 44Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
- 45Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
- 46Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
- 47Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
- 48Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.