Asan’ny Apostoly
Toko 26
- 1Ary hoy Agripa tamin’i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
- 2Ny amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
- 3indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin’ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
- 4Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ny fireneko tany Jerosalema hatramin’ny voalohany;
- 5eny, fantany hatramin’ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ny fivavahantsika.
- 6Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
- 7dia ilay fanantenana andrasan’ny firenentsika roa ambin’ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra andro aman’alina. Izany fanantenana izany no iampangan’ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
- 8Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
- 9Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta,
- 10sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ny lohan’ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
- 11Ary nampijaly azy matetika teo amin’ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy*; ary satria very saina tamin’ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ny tanàna any ivelany koa aza. [* Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
- 12Ary tamin’izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin’ny lohan’ny mpisorona,
- 13koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
- 14Ary rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
- 15Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
- 16Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)]
- 17hamonjy anao amin’ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
- 18hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
- 19Ary amin’izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
- 20fa nambarako voalohany tamin’izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
- 21Ary izany no nisamboran’ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
- 22Ary noho ny fitahian’Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin’ny kely na amin’ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
- 23fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny olona Isiraely sy amin’ny jentilisa.
- 24Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin’ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
- 25Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ny fahamarinana sy ny fahononana.
- 26Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ny takona izany.
- 27Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
- 28Fa hoy Agripa tamin’i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
- 29Ary hoy Paoly: Mangataka amin’Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ireto gadra ireto ihany.
- 30Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin’izay niara-nipetraka teo aminy;
- 31ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.
- 32Ary hoy Agripa tamin’i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.