Ezekiela
Toko 5
- 1Ary ianao, ry zanak’olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan’ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
- 2Ny ampahatelony dia dory amin’ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin’ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
- 3Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin’ny sisin-dambanao.
- 4Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin’ny taranak’Isiraely rehetra.
- 5Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan’ny jentilisa, ka voahodidin’ireny tany ireny izy.
- 6Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
- 7Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
- 8dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ny firenena.
- 9Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
- 10Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin’ny rivotra rehetra;
- 11eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin’ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
- 12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ny areti-mandringana na ho ringan’ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
- 13Ary ho tanteraka amin’izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin’ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
- 14Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin’ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason’izay rehetra mandalo.
- 15Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin’ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
- 16raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan’aina.
- 17Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.