Ezekiela
Toko 24
- 1[Fahitana ny amin’ny vilany fahandroana, ary ny tenin’Andriamanitra ny amin’ny hahafatesan’ny vadin’i Ezekiela] Ary tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Ry zanak’olona, soratinao ny anaran’ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’i Babylona miantomboka mamely an’i Jerosalema amin’izao andro anio izao.
- 3Ary milazà fanoharana amin’ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
- 4ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
- 5Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana*, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angòny eo ambaniny ny taolana]
- 6Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Lozan’ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
- 7Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin’ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka izy.
- 8Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin’ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
- 9Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Lozan’ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
- 10Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]
- 11Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin’ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
- 12Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin’ny afo ny harafesiny.
- 13Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
- 14Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
- 15Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 16Ry zanak’olona, indro, efa hesoriko amin’ny loza indray mamely monja ilay tian’ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
- 17Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin’olona.
- 18Ary nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
- 19Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin’izao ataonao izao?
- 20Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 21Lazao amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan’ny herinareo, dia ilay tian’ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
- 22Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin’olona;
- 23ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
- 24Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
- 25Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian’ny voninahiny, ilay tian’ny masony sy ilay tian’ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
- 26eny, amin’izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;
- 27amin’izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ny an’ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.