Ezekiela
Toko 15
- 1[Fanoharana mampiseho ny toetr’i Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Ry zanak’olona, inona no ihoaran’ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ny hazo any an’ala?
- 3Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?
- 4Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?
- 5Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon’ny afo sy may izy?
- 6Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ny hazo any an’ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
- 7Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin’ny afo izy nefa ho levon’ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.
- 8Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.