Ezekiela
Toko 13
- 1[Ny amin’ireo mpaminany sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo.
- 3Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Lozan’ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
- 4Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
- 5Tsy niakatra ho eo amin’ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak’Isiraely mba hifaharany amin’ny ady amin’ny andron’i Jehovah.
- 6Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin’i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan’ny teny
- 7Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
- 8Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
- 9Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolo-tsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
- 10Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin’ny feta tsy madity,
- 11koa lazao amin’izay mandalotra azy amin’ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
- 12Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
- 13Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin’ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin’ny fahatezerako sy havandra vaventy amin’ny fahavinirako hahafongana azy.
- 14Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin’ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 15Dia hotanterahiko amin’ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin’ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
- 16dia ny mpaminanin’ny Isiraely izay maminany ny amin’i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
- 17Koa ianao, ry zanak’olona, handrino mafy ny zanakavavin’ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
- 18ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin’ny famavanin’ny tanana* rehetra, ary manao fisaronana antonona amin’ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin’ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]
- 19Ary manamavo Ahy ao amin’ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin’ny andainganareo amin’ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
- 20Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan’ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
- 21Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 22Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon’ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ny ratsy fanahy, tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
- 23dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.