Ezekiela
Toko 3
- 1Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin’ny taranak’Isiraely.
- 2Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
- 3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
- 4[Ny nanirahana an’i Ekeziela hilaza ny tenin’i Jehovah tamin’ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, andeha mankany amin’ny taranak’Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
- 5Fa tsy ho any amin’ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin’ny taranak’Isiraely ihany;
- 6tsy ho amin’ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin’ireto Aho, dia hihaino anao izy.
- 7Fa ny taranak’Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak’Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
- 8Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin’ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
- 9Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
- 10Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin’ny fonao*, ka henoy amin’ny sofinao.[Heb. raiso amin’ny fonao]
- 11Dia mandehana mankany amin’ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
- 12Ary nisy fanahy* nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr’i Jehovah avy amin’ny fitoerany. [Na: rivotra]
- 13Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan’aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
- 14Ary nisy fanahy* nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra** tamin’ny fahavontosan’ny fanahiko; ary ny tànan’i Jehovah dia nahery tao amiko.[*Na: rivotra][**Heb. mangidy]
- 15Dia tonga tany amin’ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin’izay nonina teo amoron’ny ony Kebara, teo amin’izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
- 16Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 17Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
- 18Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny ràny.
- 19Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
- 20Ary koa, raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin’ny tananao ny ràny.
- 21Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
- 22[Faminaniana ny amin’ny hanjo an’i Jerosalema] Ary ny tànan’i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin’ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
- 23Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr’i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
- 24Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin’ny tranonao ianao.
- 25Fa ianao, ry zanak’olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
- 26Ary hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
- 27Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.